F6 : Inona ireo fahalalam-pomba manoloana ny mpiray vodirindrina?

V6 : 1-Manao soa amin'ireo mpiray vodirindrina amiko amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika ary manampy azy aho raha sendra mila vonjy amiko.

2-Miarahaba azy aho rehefa faly toy ny fetin'ny Eid sy ny fanambadiana na koa ankoatr'izay.

3-Mamangy azy raha marary ary miara-miory aminy raha sendra fahorina.

4-Manome izay nomaniko tamin'ny sakafo raha mahampy.

5-Tsy manao ratsy azy na amin'ny fiteny na fihetsika.

6-Tsy manelingelina azy amin'ny fampiakaram-peo aho no sady tsy mitsikilo azy, ary miharitra amin'izay zavatra ataony amiko.