F4 : Vakio ny Sourat Al-Quaria ary omeo ny dikany?

V4 : Sourat Al-Quaria sy ny fandikana azy :

Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).

1- Al-Quaria (Ilay mikotrokotroka). 2- Mal-Quaria (Inona moa ilay mikotrokotroka ?). 3- Wama Adraka Mal-Quaria (Moa mba fantatrao ve, inona ilay mikotrokotroka ?). 4- Yawma yakounoun-Nasou kal-farashil Mabthouthi (Andro izay hahatonga ny olona tahaka ny lolo miparitaka). 5- Watakoul-jibali Kal-ihnil Manfouchi (Ary ireo tendrombohitra ho tahaka ny volon’ondry voasaratsaraka). 6-Fa'amma man thaqoulati mawazinohou (Ka izay manana ny asa soa mavesatra amin’ny mizanany). 7- Fahouwa Fi Ichatin Radhia (dia ho ao anaty fiainana feno fahasambarana izy). 8- Wamma man Khaffati Mawazinouhou (Fa izay maivan-danja kosa ny asa vitany). 9- Faoummouhou Hawia (Dia ny lavaka manitsokitsoky ny Afobe no ho fonenany). 10- Wama Ad'raaka Mahiah? (Ary ahoana no hahafantaranao izany hantsana manitsokitsoka tena lalina izany ?). 11- Naroun Hamiya (Afo mavaivay izay tsy misy toy izy). [Sourat Al-quarian : 1-11].

- Fanazavana ny fdikany :

1-Al-Quaria (Ilay mikotrokotroka). Izay midika hoe : Ny ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohoron-tany.

2- Mal-Quaria (Inona moa ilay mikotrokotroka ?). Inona moa ity ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohorony!?

3-Wama Adraka Mal-Quaria (Moa mba fantatrao ve, inona ilay mikotrokotroka ?) : Ary mba fantatra ve - ry iraka - Inona tokoa ity ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohorony!?

4- Yawma yakounoun-Nasou kal-farashil Mabthouthi (Andro izay hahatonga ny olona tahaka ny lolo miparitaka) : Amin’ny andro hitempon’ny fon’ny olona, dia ho toy ny biby kely lolo miparitaka etsy sy eroa izy ireo.

5- Watakoul-jibali Kal-ihnil Manfouchi (Ary ireo tendrombohitra ho tahaka ny volon’ondry voasaratsaraka) : Ary ny tendrombohitra dia tahaka ny volon'ondry mipitipitika amin'ny hamaivanany sy ny fivezivezeny.

6-Fa'amma man thaqoulati mawazinohou (Ka izay manana ny asa soa mavesatra amin’ny mizanany) : Ka raha mavesa-danja ny asa soa manoloana ny asa ratsy.

7- Fahouwa Fi Ichatin Radhia (dia ho ao anaty fiainana feno fahasambarana izy) : Dia ao antin’ny fiainana mahafa-po izay azony ao amin'ny Paradisa.

8- Wamma man Khaffati Mawazinouhou (Fa izay maivan-danja kosa ny asa vitany) : Ary raha mavesa-danja ny asa ratsiny manoloana ny asa soa vitany.

9- Faoummouhou Hawia (Dia ny lavaka manitsokitsoky ny Afobe no ho fonenany) : Dia ny toeram-ponenany sy hitoerany amin'ny andro fitsarana dia ao amin'ny Afobe.

10- Wama Ad'raaka Mahiah? (Ary ahoana no hahafantaranao izany hantsana manitsokitsoka tena lalina izany ?) : Moave fantatrao - ry iraka - Inona izy io?!.

11- Naroun Hamiya (Afo mavaivay izay tsy misy toy izy) : Izany dia Afo lehibe ary tena mafana.